Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 10:19 - Baiboly Katolika

Ary ianareo aza mijanona fa enjeho ny fahavalonareo, asio izy amin’ny vodilalany, aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’i Iaveh Andriamanitrareo eo an-tananareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

nefa aza mijanona ianareo, fa manenjeha ny fahavalonareo ka mameleza ny vodilalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotry NY TOMPO Andriamanitrareo eo an-tananareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa ianareo aza mijanona any, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio avy ao ivohony; aza avela hiditra any an-tanànany, satria efa natolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ao an-tananareo izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa ianareo aza mijanona any, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio avy ao ivohony; aza avela hiditra any an-tanànany, satria efa natolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ao an-tananareo izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa hianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-làlana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tànanareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

nefa aza mijanona ianareo, fa manenjeha ny fahavalonareo ka mameleza ny vodilalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotry NY TOMPO Andriamanitrareo eo an-tananareo.

Jereo ny toko



Josoa 10:19
8 Rohy Ifampitohizana  

Na hihataka ho any amin’ny tanàna anankiray aza izy, dia hitondran’i Israely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka hotarihintsika ho any amin’ny ranon-driaka mandra-pahafoanany tsy misy intsony na dia vato iray aza.»


Ka hoy i Davida tamin’i Abisaia: «I Sebà zanak’i Bokrì izao no hampidi-doza amintsika, mihoatra noho i Absalôma. Koa ento ny mpanompon’ny tomponao, dia enjeho iny, fandrao dia mahazo tanàna mimanda eo ihany izy, ka tsy ho hitan’ny masontsika intsony.»


Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin’ny asan’i Iaveh! Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!


Nahoana isika no mitomoe-poana? Mivoria ianareo, andeha isika ho ao an-tanàna mimanda, dia aoka ho faty ao; satria i Iaveh Andriamanitsika mandevona antsika, sy mampisotro antsika rano misy poizina, noho ny nanotantsika tamin’i Iaveh!...


Dia hoy i Jôsoe: «Kodiavo vato lehibe ny vava zohy, dia asio olona hiambina azy.


Nony efa nasian’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely ireny tamin’ny nandreseny azy mafy dia mafy ka naringany, izay mba nety ho afaka kosa dia nandositra tamin’ny tanàna mimanda;