«Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. I Iaveh no nanome, i Iaveh no naka; hisaorana anie ny anaran’i Iaveh».
Jona 4:7 - Baiboly Katolika Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana, dia nandefa fositra i Iaveh hamely ilay tanantanamanga, ka tonga maina izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra ka namely ilay tanantanamanga iny, dia maina io. DIEM PROTESTANTA Ny ampitso vao mangiran-dratsy anefa dia nandefa fositra kosa Andriamanitra hikiky ilay zavamaniry ka maina tery io. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny ampitso vao mangiran-dratsy anefa dia nandefa fositra kosa Andriamanitra hikiky ilay zavamaniry ka maina tery io. Baiboly Protestanta Malagasy Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io. Malagasy Bible Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io. La Bible en Malgache Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra ka namely ilay tanantanamanga iny, dia maina io. |
«Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. I Iaveh no nanome, i Iaveh no naka; hisaorana anie ny anaran’i Iaveh».
Mangaihay ny voaloboka, ary reraka ny aviavy; ny ampongabendanitra mbamin’ny antrendry sy ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha, no efa maina avokoa; menatra ny hafaliana ka nihataka lavitra ny zanak’olombelona.
Ary i Iaveh Andriamanitra, nampaniry tanantanamanga, izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasy, mba hialokalofan’ny lohany mba hanafahana azy amin’ny alahelony; ka nahatsiaro faly erỳ i Jônasy tamin’ny tanantanamanga.