Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jona 4:3 - Baiboly Katolika

Koa ankehitriny, Iaveh ô, esory amiko ny fanahiko, fa aleoko maty toy izay velona».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa mifona aminao aho ankehitriny, TOMPO ô, esory ny aiko; fa aleoko maty toy izay ho velona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ankehitriny, TOMPO ô, avelao aho ho faty, fa aleoko maty toy izay velona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ankehitriny, TOMPO ô, avelao aho ho faty, fa aleoko maty toy izay velona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa mifona aminao aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa mifona aminao aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa mifona aminao aho ankehitriny, TOMPO ô, esory ny aiko; fa aleoko maty toy izay ho velona.

Jereo ny toko



Jona 4:3
14 Rohy Ifampitohizana  

fa izy kosa nandroso lalana indray andro tany an’efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: «Aoka izay! alao amin’izao ny aiko, ry Iaveh ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.»


Aleo laza soa, toy izy hanitra soa; ary aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana.


Aza maika foana ny ho tezitra am-po; fa ny tratran’ny adala no fitoeran’ny hatezerana.


izay sisa tavela rehetra amin’ity taranaka ratsy ity, any amin’ny tany handroahako azy any, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -


Fa hoy ny navalin’i Iaveh: «Mety va ny hatezeranao?»


Nony niposaka indray ny masoandro, nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana i Iaveh sady nasiany masoandro ny lohan’i Jônasy, ka efa ana mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy ka nanao hoe: «Aleoko maty toy izay ho velona».


Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.»


Nifanditra tamin’i Môizy ny vahoaka, ka nanao hoe: «Inay anie izahay mba maty, tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’i Iaveh!


Izaho anefa dia sady tsy nampiasa izany fahefana izany no tsy nanoratra ity ho toy ny hitaky izany hatao amiko. Aleoko maty, toy izay ny voninahitro amin’izany no hofoanan’olona.