Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin’ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin’ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao.
Jona 4:10 - Baiboly Katolika Dia hoy i Iaveh: «Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, tsy nampanirianao, izay naniry tamin’ny indray alina monja, dia maty tanatin’ny indray alina koa; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO: Malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao ianao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa. DIEM PROTESTANTA Dia hoy ihany ny TOMPO hoe: –Malahelo io zavamaniry io ianao kanefa tsy nisasatra taminy kely akory na nanao izay nampaniry azy. Fa indray alina fotsiny no naniriany, dia maty rehefa avy niaina indray alina izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ihany ny TOMPO hoe: –Malahelo io zavamaniry io ianao kanefa tsy nisasatra taminy kely akory na nanao izay nampaniry azy. Fa indray alina fotsiny no naniriany, dia maty rehefa avy niaina indray alina izy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Jehovah: Hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa; Malagasy Bible Dia hoy Jehovah: Hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa; La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO: Malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao ianao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa. |
Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin’ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin’ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao.
ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany, ary biby be dia be!»
Fa hoy i Iaveh tamin’i Jônasy: «Mety va izao hatezeranao noho ny amin’ny tanantanamanga izao?». Ka hoy ny navaliny: «Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko».
Satria raha mbola velona etỳ ambonin’ny tany koa iny zanak’i Isaï iny dia tsy hisy fandriam-pahalemana ho anao sy ho an’ny fanjakanao. Koa ankehitriny, ampanalao izy hankatỳ amiko, fa zanaky ny fahafatesana izy».