Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 1:8 - Baiboly Katolika

Midradradradrà ianao toy ny virjiny mitafy lasàka hitomany ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Midradradradrà toy ny virijiny misikina lamba fisaonana noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Midradradradrà ianareo, toy ny vehivavy tanora misaona noho ny amin’ny vady izay vao nampakatra azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Midradradradrà ianareo, toy ny vehivavy tanora misaona noho ny amin’ny vady izay vao nampakatra azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Midradradradrà toy ny virijina misikin-damba fisaonana noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin'ny vadin'ny fahatanorany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Midradradradrà toy ny virijiny misikina lamba fisaonana noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko



Joela 1:8
13 Rohy Ifampitohizana  

izay mandao ny naman’ny fahatanorany, sy manadino ny fanekeny amin’ny Andriamaniny;


Ny Tompo Iavehn’ny tafika, niantso anareo, tamin’izany andro izany, hitomany sy higogogogo, hibory loha sy hisikina lasàka.


Manàna vadi-po, ry kala mitsilamodamoka! mangovita, ry kala tsy manahy. Esory ny fitafianareo sarobidy, mialà akanjo, misikìna lasàka.


Ary ankehitriny kosa izao manko no lazainao amiko: «Ry Raiko ô, ianao ilay sakaizan’ny fahatanorako. Ho tezitra mandrakariva va izy, hitahiry fahatezerana mandrakizay va izy?


Misaona ny lalan’i Siôna, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferinaina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.


Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana; ny hira fifalianareo, ho fitomaniana; ny andilana rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola; ny tany hataoko hoatra ny misaona zanaka lahy tokana; ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.


Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.


Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.