Noho izany misikìna lamba malailay ianareo; mitomania sy midradradradrà; fa ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh, tsy nihodivitra antsika.
Joela 1:5 - Baiboly Katolika Mifohaza ianareo mpimamo, ka mitomania; ianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà, noho ny amin’ny divay vaovao; izay notapahina tsy ho amin’ny vavanareo intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania! Eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka satria nesorina tsy ho ao amin’ny vavanareo izany! DIEM PROTESTANTA Mifohaza ka mitomania, ry mamolava; midradradradrà ianareo rehetra, ry mpisotro divay: fa tsy hisy ny voaloboka, ka ho diso divay ny vavanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mifohaza ka mitomania, ry mamolava; midradradradrà ianareo rehetra, ry mpisotro divay: fa tsy hisy ny voaloboka, ka ho diso divay ny vavanareo. Baiboly Protestanta Malagasy Mifohaza, hianareo mpimamo, ka mitomania, Eny, midradradradrà, hianareo mpisotro divay rehetra, Noho ny ranom-boaloboka, Satria tapaka tsy ho amin’ny vavanareo izany. Malagasy Bible Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany. La Bible en Malgache Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania! Eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka satria nesorina tsy ho ao amin’ny vavanareo izany! |
Noho izany misikìna lamba malailay ianareo; mitomania sy midradradradrà; fa ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh, tsy nihodivitra antsika.
Ry zanak’olona, maminania ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Midradradradrà ianareo! Endrey! izao andro izao!
Mangaihaiza, ry mpiasa tany, midradradradrà ry mpamboly voaloboka, noho ny amin’ny vary sy ny orja; satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona; midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely! Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.
Haneho zava-mahagaga eny an-danitra sy etỳ an-tany Aho, dia ra sy afo aman-tsetroka mitankosina.
«Nisy mpanan-karena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan’andro.
Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.