Izay miolonolona irery mitady ny mahafa-po ny filàny ihany, ka mahatezitra azy avokoa izay hevitra mety rehetra.
Joda 1:19 - Baiboly Katolika hitarika fitokotokoana, dia olona ara-batana, fa tsy mba manana ny Fanahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, tsy manana ny Fanahy. DIEM PROTESTANTA Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin’ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin’ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy. Malagasy Bible Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy. La Bible en Malgache Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, tsy manana ny Fanahy. |
Izay miolonolona irery mitady ny mahafa-po ny filàny ihany, ka mahatezitra azy avokoa izay hevitra mety rehetra.
manao hoe: «Mihataha ianao! Aza manakaiky ahy, fa masina ho anao aho!» Ireny dia setroka eo am-bavoroko, afo mirehitra mandrakariva.
Fa na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo amin’i Israely misaraka amiko manangana ny sampin-dozany ao am-pony, ary manao eo anatrehan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha tonga manatona ny mpaminany izy io mba hanontaniany amiko ho azy, dia ny Tenako Izaho Iaveh, no hamaly azy.
samy tsy hofaizako na ny zanaka vavinareo noho ny fijangajangany, na ny vinantovavinareo tanora noho ny fakàny vadin’olona; satria, na ireo koa aza, mihataka ho any amin’ny vehivavy janga, sy miara-manatitra sorona amin’ny karam-bavy. Ary mivarin-ko faty ny vahoaka tsy misaina.
Tahaka ny voaloboka any an’efitra no ahitako an’i Israely; tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora no nahitako ny razanareo. Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo, sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta, ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.
Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy;
Tsy azon’ny olona ara-batana anefa ny zavatra avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra; ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively, satria amin’ny Fanahy no hany amantarana izany.
Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo?
Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa avy amin’ny tany, sy ara-batana, ary avy amin’ny demony;