Mivaha ny mahazakan-tsambonao, tsy mahatana ny andrin-tsambo ho eo amin’ny fiorenany izy; ary tsy mahazona ny sainan-tsambo mivelatra intsony. Amin’izany mizara babo betsaka ny olona, ny mandringa avy no hanana anjara babo.
Jeremia 50:10 - Baiboly Katolika Dia horobaina i Kaldea, ho voky avokoa izay handroba azy, - teny marin’i Iaveh. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ho voababo i Kaldea; izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Horobaina ny tanin’ny Babilônianina ary ho afa-po ireo rehetra mandroba azy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Horobaina ny tanin’ny Babilônianina ary ho afa-po ireo rehetra mandroba azy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Kaldea ho voababo; Izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy Jehovah. Malagasy Bible Ary Kaldea ho voababo; Izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy Jehovah. La Bible en Malgache Ary ho voababo i Kaldea; izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy NY TOMPO. |
Mivaha ny mahazakan-tsambonao, tsy mahatana ny andrin-tsambo ho eo amin’ny fiorenany izy; ary tsy mahazona ny sainan-tsambo mivelatra intsony. Amin’izany mizara babo betsaka ny olona, ny mandringa avy no hanana anjara babo.
Hangonina hoatra ny fanangon’ny valala ny babonareo; mihazakazaka mankao ny olona, hoatra ny andiam-balala.
Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevona, mba hahafantaranao fa Izaho no Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay niantso anao tamin’ny anaranao.
Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, - teny marin’i Iaveh, - ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.
Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.
Avia hamely azy avokoa ianareo any rehetra any, vohay ny sompiny ka atokotokoy hoatra ny antontam-bary, dia levòny; fa aza avela hisy sisa na dia kely aza.
Sabatra hamely ny soavaly aman-kalesiny, mbamin’ireo fakofakon’olona rehetra izay eo afovoany, ka aoka ho toy ny vehivavy ireny! Sabatra hamely ny rakiny, ka aoka horobaina ireny!
Nefa hafotitro amin’i Babilôna mbamin’ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra nataony tao Siôna teo imasonareo, - teny marin’i Iaveh. -
«Hanody an’i Babela anie ny nofoko rotika!» no holazain’ny mponina ao Siôna; «hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!» no ho tenin’i Jerosalema.
Ary naingain’ny Fanahy aho, ka nentiny ho any amin’ireo babo any Kaldea, tamin’ny fahitana, tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia lasa niala teo anatrehako ny fahitana efa hitako;
Noho ianao namabo firenena maro, dia mba hobaboin’ny firenena sisa rehetra kosa, noho ny ran’olona nalatsaka, sy ny fandozàna natao tamin’ny tany, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.
Ny tandroka folo efa hitanao tamin’ilay Biby kosa, no hankahala an-dRavehivavy janga, ka hampijaly sy hampitanjaka azy, ary hihinana ny nofony sy handevona azy amin’ny afo.