Mbola hisy hotsimponina ihany izy, toy ny raha manozongozona ny hazo ôliva misy ôliva roa na telo eny an-tendrony indrindra, misy efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo, - teny ton’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely.
Jeremia 49:9 - Baiboly Katolika Raha mpioty voaloboka no tonga aminao, tsy mamela hotsimponina izy, na dia kely aza; raha mpangalatra tonga alina kosa, mandroba izy, mandra-pahafa-pony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; raha avy alina ny mpangalatra dia tsy hijanona handrava izy raha tsy afa-po. DIEM PROTESTANTA Koa raha tonga any aminareo ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela sampahony hotsimponina izy. Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafapony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa raha tonga any aminareo ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela sampahony hotsimponina izy. Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafapony. Baiboly Protestanta Malagasy Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, Dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, Dia handrava mandra-pahafa-pony izy. Malagasy Bible Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy. La Bible en Malgache Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; raha avy alina ny mpangalatra dia tsy hijanona handrava izy raha tsy afa-po. |
Mbola hisy hotsimponina ihany izy, toy ny raha manozongozona ny hazo ôliva misy ôliva roa na telo eny an-tendrony indrindra, misy efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo, - teny ton’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hotsimponina hoatra ny fitsimpona voaloboka, izay sisa amin’i Israely. Averimbereno eo ny tananao, toy ny ataon’ny mpioty amin’ny rantsam-boaloboka.
Raha mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, aza mijinja ny sahanao hatrany am-paran’ny sisiny indrindra, ary aza fakoinao izay mbola hotsimponin’ny hafa amin’ny varinao.