Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
Jeremia 49:30 - Baiboly Katolika Manavota aina ianareo, mandosira araka izay tratry ny ainareo, mamitsaha, ry mponina any Hasora! - teny marin’i Iaveh. - Fa i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, namoron-kevitra hamelezana anareo, nanao fikasana hamelezana anareo, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mandosira ka mandehana lavitra! Mamitsaha any amin’ny lalina, ry mponina any Hazora! Hoy NY TOMPO; fa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hahavoa anareo. DIEM PROTESTANTA Ry olon’i Hatsôra, mandosira lavitra ka misitriha any anaty lava-bato, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Fa manana fikasana hamely anareo i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, ary nanomana tetika hahavoa anareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry olon’i Hatsôra, mandosira lavitra ka misitriha any anaty lava-bato, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Fa manana fikasana hamely anareo i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, ary nanomana tetika hahavoa anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin’ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, nanao saina hamelezany anareo Sy namoron-kevitra hamelezany anareo. Malagasy Bible Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo. La Bible en Malgache Mandosira ka mandehana lavitra! Mamitsaha any amin’ny lalina, ry mponina any Hazora! Hoy NY TOMPO; fa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hahavoa anareo. |
Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.
Koa ankehitriny, efa natolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko, ireto tany rehetra ireto; nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha aza, hanompo azy.