Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 49:25 - Baiboly Katolika

Zary haolo manao ahoana re ilay tanàna be voninahitra ilay tanànam-pahafinaretana sy fifaliana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanàna nifaliako?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ahoana re no dia ilaozana ity tanàna malaza sady tanànam-pifaliana ity!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ahoana re no dia ilaozana ity tanàna malaza sady tanànam-pifaliana ity!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, Tanàna fifaliako!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanana fifaliako!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanàna nifaliako?

Jereo ny toko



Jeremia 49:25
10 Rohy Ifampitohizana  

Hametrahako mpitsara toy ny tany aloha ianao, mbamin’ny mpanolo-tsaina toy ny tamin’ny andro voalohany. Raha efa izany dia hantsoina hoe tanànan’ny fahamarinana, tanàna mahatoky ianao.


Ary ny anaran’ity tanàna ity ho Ahy dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra, any amin’ny firenen-drehetra ambonin’ny tany, izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny, mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra homeko azy ireo.


tsy misy intsony izay voninahitr’i Moaba! Any Hesebona no hidinihana ny loza hamelezana azy: Andeha hofongorantsika eo amin’ny firenena izy! Ianao koa, ry Madmena, hatao gina; mandeha manaraka eo aoriana ny sabatra.


He ity fahatorotoròny! Mba misentoa ianareo. He ity fiambòhon’i Moaba amin-kenatra! Tonga fihomehezana i Moaba, tonga fampitahorana ho an’izay rehetra mifanakaiky aminy izy.


Manao ahoana no nahafahana an’i Sesàka, sy nahazoana an’ilay fireharehan’ny tany rehetra? Nanao ahoana no nahatongavany ho zavatra fampitahorana, i Babela, eo amin’ny firenena?


Hijanona eny lavitra eny izy ireo, fa tsiravina noho ny fijaliany, ka hanao hoe: «Loza ity! loza ity! ry Babilôna lehibe, ry tanàna mafy, fa ora iray monja, dia tonga ny fanamelohana anao!»