Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 49:11 - Baiboly Katolika

Ilaozy ny kambotinao, fa Izaho no hamelona azy, ary Izaho no aoka hitokian’ny mpitondra tena ao aminao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ilaozy ny zanakao ho kamboty fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian’ny vadinao mpitondratena.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Ankino amiko ny kambotinareo fa izaho no hamelona azy; ary mahazo matoky ahy ny mpitondratenanareo.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Ankino amiko ny kambotinareo fa izaho no hamelona azy; ary mahazo matoky ahy ny mpitondratenanareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, Ary aoka Izaho no hitokian’ny vadinao mpitondratena.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian'ny vadinao mpitondratena.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ilaozy ny zanakao ho kamboty fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian’ny vadinao mpitondratena.

Jereo ny toko



Jeremia 49:11
12 Rohy Ifampitohizana  

i Iaveh miaro ny mpivahiny; manohana ny kamboty ama-mpitondratena Izy; fa mampiolakolaka ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.


Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany! Misavà lalana ho an’ilay tamy mamaky ny tany lemaka! Iaveh no Anarany, mifalia eo anatrehany!


Omeo ny rariny ny mahantra sy ny kamboty, omeo ny hitsiny ny ory sy ny malahelo.


Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’i Iaveh, lazao aminy hoe: Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara. Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray.


ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany, ary biby be dia be!»


aza mampahory ny mpitondratena, na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misain-dratsy ao am-ponareo, hamelezana ny namanareo.»


Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.


fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena; tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy.


Ny hoe mpitondratena tokoa, dia honjohonjon’izy irery no sisa, Andriamanitra no hany antenainy, ka maharitra amin’ny fangatahana amam-pivavahana andro aman’alina izy;


Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao.