mandra-pilentiky ny zana-tsipìka amin’ny atiny; tahaka ny vorona miantoraka amin’ny fandrika, tsy mahalala fa mihatra amin’ny ainy izany.
Jeremia 48:16 - Baiboly Katolika antomotra ny fandravana an’i Moaba; mimaona fatratra ny loza hanjò azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efa antomotra ny loza hanjo an’i Moaba ary manatona haingana ny fahoriany. DIEM PROTESTANTA Akaiky ho tonga ny loza hanjo an’i Môaba, ary ho avy haingana ny fahoriany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Akaiky ho tonga ny loza hanjo an’i Môaba, ary ho avy haingana ny fahoriany. Baiboly Protestanta Malagasy Efa antomotra ny loza hanjo an’i Moaba, Ary mimaona ny fahoriany. Malagasy Bible Efa antomotra ny loza hanjo an'i Moaba, ary mimaona ny fahoriany. La Bible en Malgache Efa antomotra ny loza hanjo an’i Moaba ary manatona haingana ny fahoriany. |
mandra-pilentiky ny zana-tsipìka amin’ny atiny; tahaka ny vorona miantoraka amin’ny fandrika, tsy mahalala fa mihatra amin’ny ainy izany.
Ny amboadia no hierona ao an-dapany lao; ary ny alikadia ao an-trano firavoravoany. Efa antomotra ny fotoany, ary tsy hohalavaina ny androny.
Ka hoy i Iaveh tamiko: «Nahita tsara ianao, fa mahatsiaro ny teniko aho, hanatanterahako azy.»
Koa lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hatsahatro izany fitenenana izany, ka tsy hotononina eo amin’i Israely intsony izany. Fa izao kosa no lazao amin’izy ireo: Antomotra ny fotoana; mbamin’ny fahatanterahan’ny tenin’ny fahitana rehetra.
Koa lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy hisy hahemotra intsony ny teniko; fa efa ho tanteraka ny teny ataoko. - Teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Ahy ny fampanodiavana sy ny famaliana amin’ny fotoana hahatafintohina ny tongony, fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.