Jeremia 43:8 - Baiboly Katolika Ary tonga tamin’i Jeremia tao Tafnesa ny tenin’i Iaveh nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tonga tamin’i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’NY TOMPO hoe: DIEM PROTESTANTA Dia tonga tamin’i Jeremià tao Tahapanehesa ny baikon’ny TOMPO hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia tonga tamin’i Jeremià tao Tahapanehesa ny baikon’ny TOMPO hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Dia tonga tamin’i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’i Jehovah hoe: Malagasy Bible Dia tonga tamin'i Jeremia tao Tapanesa ny tenin'i Jehovah hoe: La Bible en Malgache Dia tonga tamin’i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’NY TOMPO hoe: |
«Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno eo anatrehan’ny lehilahy amin’i Jodà, ataovy ao anaty simenitra eo amin’ny ngorodona taila, izay anoloan’ny tranon’i Faraôna, ao Tafnesa;
Ny teny tonga tamin’i Jeremia, ho an’ny Jodeanina rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta, dia izay nitoetra tany Migdôla, tany Tafnesa, tany Nôfa, sy tany amin’ny tany Fatoresa, nanao hoe:
Torionareo any Ejipta, ampandreneso any Migdôla, ampandreneso any Nôfa sy any Tafnesa; ka lazao hoe: Milahara ianareo, ka miomàna; fa efa mandripaka sahady eny amin’ny manodidina anareo ny sabatra!
Tamin’ny taona faha-10, volana faha-10, andro faha-12n’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan’i Ejipta, sy hitsaharan’ny fiavonavonan’ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy.
Tamin’ny taona faha-11, volana fahatelo, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
Tamin’ny taona faha-12, volana faha-12, tamin’ny andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
izay iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin’Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra.