Jeremia 43:6 - Baiboly Katolika
ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy, ny zanaka vavin’ny mpanjaka, mbamin’ny olona rehetra navelan’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina niaraka tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ary koa i Jeremia mpaminany, mbamin’i Baròka zanak’i Nerià.
Jereo ny toko
dia ny lehilahy sy ny zaza amam-behivavy ary ny vehivavy zanaky ny mpanjaka sy ny olona rehetra izay navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana. Noentiny koa i Jeremia mpaminany sy i Baroka, zanak’i Neria,
Jereo ny toko
dia lehilahy mpiady sy zaza amam-behivavy ary ireo zanakavavin’ny mpanjaka; ireo olona rehetra ireo dia izay napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna. Nentiny niaraka taminy koa i Jeremià mpaminany sy i Baròka zanakalahin’i Nerià.

dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak’andriana ary ny olona rehetra izay navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, sy tao amin’i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak’i Neria
Jereo ny toko
dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak'andriana ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, sy tao amin'i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak'i Neria