Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 43:4 - Baiboly Katolika

Ka dia tsy nihaino ny feon’i Iaveh nandidy azy hitoetra amin’ny tanin’i Jodà i Johanàna zanak’i Karea, sy ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’ny vahoaka rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ny amin’ny tokony honenany ao amin’ny tanin’ny Joda.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho izany, tsy nanaiky hipetraka tany Joda araka izay nambaran’ny TOMPO azy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila mbamin’ireo olona niaraka taminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany, tsy nanaiky hipetraka tany Joda araka izay nambaran’ny TOMPO azy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila mbamin’ireo olona niaraka taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon’i Jehovah ny amin’ny honenany ao amin’ny tanin’ny Joda.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon'i Jehovah ny amin'ny honenany ao amin'ny tanin'ny Joda.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ny amin’ny tokony honenany ao amin’ny tanin’ny Joda.

Jereo ny toko



Jeremia 43:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny vahoaka rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, mbamin’ireo lehiben’ny isan-toko-miaramila, dia niainga ka lasa nitsoaka nankany Ejipta fa natahotra ny Kaldeanina.


Mbola niteny anefa io, dia hoy i Amasiasa taminy: «Moa nanendry anao ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va izahay? Mialà ianao, fandrao asian’ny olona eo!» Dia niala ilay mpaminany, ary nanao hoe: «Fantatro fa efa naraikitr’Andriamanitra ny handringana anao, noho ianao nanao izany, sy tsy nihaino ny torohevitro.»


Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa; monena amin’ny tany ary manaràna fo amin’ny fahatokiany.


Ary hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery; nefa hamavoin’ny olona ny fahendren’ny mahantra, ary tsy henoina akory ny teniny.


Noraisin’i Johanàna zanak’i Karea mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra nomba azy, ny vahoaka sisa rehetra izay efa nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa, avy any Masfà, nony avy namono an’i Godoliasa, zanak’i Ahikama izy, dia ny olona mpiady, ny zaza amam-behivavy, ary ny eonòka, ka nentiny niverina avy any Gabaôna izy ireo.


Nanambara izany taminareo aho androany, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo kosa ianareo, na ny zavatra inona na ny zavatra inona nanirahany ahy ho aminareo.


ka nantsoin’i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy, sy ny vahoaka rehetra na kely na lehibe,


Kanefa tsy nihaino izy ireo, na nanongilan-tsofina mba hialany amin’ny haratsiany sy tsy hanaterany emboka manitra intsony, amin’izay andriamani-kafa.