Jeremia 42:21 - Baiboly Katolika Nanambara izany taminareo aho androany, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo kosa ianareo, na ny zavatra inona na ny zavatra inona nanirahany ahy ho aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ny amin’izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo. DIEM PROTESTANTA Nefa androany raha nitondra ny valin-teny avy amin’ny TOMPO Andriamanitsika aho, dia tsy mihaino Azy ianareo ny amin’izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nefa androany raha nitondra ny valin-teny avy amin’ny TOMPO Andriamanitsika aho, dia tsy mihaino Azy ianareo ny amin’izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary efa nambarako taminareo andro-any; nefa tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo hianareo ny amin’izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo. Malagasy Bible Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo. La Bible en Malgache Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ny amin’izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo. |
Nony tapitra voalazan’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra avokoa ny tenin’i Iaveh Andriamaniny, ireo teny rehetra nanirahan’i Iaveh Andriamaniny azy ho aminy,
Ka dia tsy nihaino ny feon’i Iaveh nandidy azy hitoetra amin’ny tanin’i Jodà i Johanàna zanak’i Karea, sy ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’ny vahoaka rehetra.
Niditra tany amin’ny tany Ejipta izy ireo, dia tonga hatrany Tafnesa, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh.
«Ry zanak’olona, tendreko ho mpitily eo amin’ny taranak’i Israely ianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako ianao; ary hananatra azy ireo amin’ny Anarako.
Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fiavin’ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakanao; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahin’ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahin’ny fony.
Ianao izany dia mpihira mahafinaritra ho azy ireo, tsara feo sy mahay mitendry ny zava-maneno eo an-tanany; izy ireo kosa, mandre ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany akory.
Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo ampahibemaso sy isan-trano.
Tsy hanaiky hamela heloka izany olona izany i Iaveh, fa hirehitra amin’izany olona izany ny fahatezeran’i Iaveh sy ny fahasarotam-piarony ka hianjera aminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin’ity boky ity, ary hovonoin’i Iaveh tsy ho eto ambanin’ny lanitra ny anarany.
Indro, nataoko eo anoloanao androany ny fiainana sy ny tsara, ny fahafatesana sy ny ratsy,
Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo anio aho, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tso-drano sy ny ozona; koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,