Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 4:25 - Baiboly Katolika

Mijery aho, ka indro ny olona tsy nisy teo; ary ny voromanidina rehetra efa nandositra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nojereko ka indro, tsy nisy olona, ary efa nandositra ny voromanidina rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nojereko ka tsy nisy olona intsony fa lasa mbamin’ny voronkely rehetra aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nojereko ka tsy nisy olona intsony fa lasa mbamin’ny voronkely rehetra aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, Ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nojereko ka indro, tsy nisy olona, ary efa nandositra ny voromanidina rehetra.

Jereo ny toko



Jeremia 4:25
6 Rohy Ifampitohizana  

Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany, sy hahalazo ny ahitra eo amin’ny saha rehetra? Noho ny haratsian’izay monina eo dia maty avokoa ny biby amam-borona, fa hoy izy ireo: «Tsy hahita ny hiafarantsika izy!»


Ary i Jerosalema hataoko korontam-bato, sy fieren’amboadia; ny tanànan’i Jodà koa hataoko lao, tsy misy mponina.


Ny tendrombohitra dia hanaovako fitarainana sy fitomaniana, ny tanim-bilona any an’efitra hanaovako hira fisaonana! Fa may ireny, ka ny olona tsy mandalo ao intsony; ny feom-biby fiompy tsy re ao intsony; ny voromanidina amam-biby fiompy nandositra tsy misy intsony.


Ny hazandrano ao an-dranomasina hangovitra eo anatrehako avokoa, mbamin’ny voromanidina amam-bibin’ny tany, sy ny biby mandady rehetra mikisaka amin’ny tany, ary ny olona rehetra ambonin’ny tany; ny tendrombohitra hirodana, ny vatolampy hianjera; ary ny manda rehetra hikoa amin’ny tany.


Noho izany, misaona ny tany, ary tsy manan-kery ny mponina rehetra ao aminy, hatramin’ny biby any an-tsaha sy ny voromanidina; ringana mbamin’ny hazandrano any anaty ranomasina aza.