sy tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny farany taona faha-11, nanjakan’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema, tamin’ny volana faha-5.
Jeremia 39:2 - Baiboly Katolika Tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Sedesisa, volana fahefatra, andro fahasivin’ny volana, dia nisy voabanga ny tanàna; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia dia nisy voabanga ny tanàna, DIEM PROTESTANTA Nony tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakàn’i Tsedekià dia nisy voabanga ny mandan’ny tanàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakàn’i Tsedekià dia nisy voabanga ny mandan’ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy ary nony tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana fahefatra tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna), Malagasy Bible ary nony tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna), La Bible en Malgache Tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia dia nisy voabanga ny tanàna, |
sy tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny farany taona faha-11, nanjakan’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema, tamin’ny volana faha-5.
Teny avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia, tamin’ny taona faha-10 nanjakan’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà. Taona faha-18 nanjakan’i Nabokodonozora kosa izany.
Indro manome didy Aho, - teny marin’i Iaveh - hampiverina azy hamely ity tanàna ity indray, dia hiady aminy izy ka hahafaka azy sy handoro azy, ary hataoko zary efitra tsy misy mponina ny tanànan’i Jodà
ary ny Kaldeanina kosa hiverina atỳ ary hiady amin’ity tanàna ity, sady hahafaka azy sy handoro azy.
Aniho ny mandany ka ravao, fa aza levonina avokoa; esory ny sakeliny, fa tsy an’i Iaveh ireny!
Tamin’ny taona faha-12n’ny nahababo antsika, tamin’ny volana faha-10, andro fahadimin’ny volana, nisy olona nandositra avy any Jerosalema, tonga tao amiko nilaza hoe:
Ary ianao makà lapoaly vy; ataovy toy ny manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna io, ka atodiho hanandrina azy ny tavanao; dia hatao fahirano izy; ka hataonao fahirano izy, Aoka ho famantarana ho an’ny taranak’i Israely izany.
Ny ampahatelony dory amin’ny afo, eo afovoan’ny tanàna, rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; ny ampahatelony, alao ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ny ampahatelony aelezo ho amin’ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra avy ao aoriana Aho.
Amin’izany andro izany dia izao no hatao, - teny marin’i Iaveh: - Hisy antsoantso hitatatata avy ao am-bavahadin’ny hazandrano; hisy hitarainana, avy ao an-tanàna faharoa; ary hisy kotrokotroka be avy amin’ny havoana.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana sy ho fety lehibe, ho an’ny taranak’i Jodà.»