Taorian’izany, tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Aza matahotra, ry Abrama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.»
Jeremia 39:17 - Baiboly Katolika Hovonjeko anefa ianao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - fa tsy ho voatolotra ao an-tanan’ny olona atahoranao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa hovonjeko ianao amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, fa tsy mba hatolotra eo an-tanan’ny olona izay atahoranao. DIEM PROTESTANTA Nefa amin’ny andro izay hahatongavan’izany loza izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hafahako ianao, ka tsy hatolotro eo an-tanan’ireo olona atahoranao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nefa amin’ny andro izay hahatongavan’izany loza izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hafahako ianao, ka tsy hatolotro eo an-tanan’ireo olona atahoranao. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa hovonjeko hianao amin’izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan’ny olona izay atahoranao. Malagasy Bible Nefa hovonjeko ianao amin'izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan'ny olona izay atahoranao. La Bible en Malgache Nefa hovonjeko ianao amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, fa tsy mba hatolotra eo an-tanan’ny olona izay atahoranao. |
Taorian’izany, tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Aza matahotra, ry Abrama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.»
Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana lozan-tany aho ity! Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon’ny tanan’i Iaveh fa be famindram-po Izy, toy izay ho azon’ny tanan’ny olombelona.»
Fa hoy kosa i Elia: «Velona i Iavehn’ny tafika izay itoerako eo anatrehany! Anio aho hiseho eo anatrehan’i Akaba.»
Lasa nitsena an’i Akaba i Abdiasa sy nilaza ny vaovao taminy, ka dia nankeo anatrehan’i Elia i Akaba.
Fa hoy ny navaliny: «Aza matahotra na inona na inona, fa be noho ny momba azy ny momba antsika.»
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Hiady aminao izy ireo, nefa tsy hahefa na inona na inona aminao, satria momba anao Aho, hamonjy anao Aho; - teny marin’i Iaveh.-»
Tamin’izay i Safatiasa zanak’i Matàna, i Gedeliasa zanak’i Fasora, ary i Jokaly zanak’i Selemiasa, ary i Fasora zanak’i Melkiasa, dia nandre ny teny nolazain’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra hoe:
«Ry mpanjaka tompoko ô, ratsy izany nataon’ireo olona ireo tamin’ny nitondrany toy izany an’i Jeremia mpaminany, fa nampidininy ao an-davaka izy; ho faty mosary ao ihany izy, satria tsy misy mofo intsony eto an-tanàna.»
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.