Ary naka ireo olona ireo hiaraka aminy i Abdemeleka, dia niditra tao amin’ny tranon’ny mpanjaka ao ambanin’ny trano firaketana. Naka lamba tonta amam-boro-kitsay tao izy, ka nalefany tamin’ny tady izany ho ao amin’i Jeremia ao an-davaka.
Jeremia 38:12 - Baiboly Katolika Dia hoy i Abdemeleka etiôpianina tamin’i Jeremia: «Ataovy ao ambany helikao ireny lamba tonta amam-borodamba ireny eo ambanin’ny tady.» Nataon’i Jeremia izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Ebeda-Meleka kosita tamin’i Jeremia: Ataovy eo ambanin’ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto, ary ho eo ambaniny ny tady mahazaka; dia nataon’i Jeremia izany; DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Hebeda-Melèka etiôpianina tamin’i Jeremià hoe: –Ataovy ao ambany helikao ireo vorodamba ireo ka apetraho eo ambaniny ny tady mahazaka. Rehefa nataon’i Jeremià izany, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Hebeda-Melèka etiôpianina tamin’i Jeremià hoe: –Ataovy ao ambany helikao ireo vorodamba ireo ka apetraho eo ambaniny ny tady mahazaka. Rehefa nataon’i Jeremià izany, Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin’i Jeremia: Ataovy eo ambanin’ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon’i Jeremia izany; Malagasy Bible Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin'i Jeremia: Ataovy eo ambanin'ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon'i Jeremia izany; La Bible en Malgache Dia hoy Ebeda-Meleka kosita tamin’i Jeremia: Ataovy eo ambanin’ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto, ary ho eo ambaniny ny tady mahazaka; dia nataon’i Jeremia izany; |
Ary naka ireo olona ireo hiaraka aminy i Abdemeleka, dia niditra tao amin’ny tranon’ny mpanjaka ao ambanin’ny trano firaketana. Naka lamba tonta amam-boro-kitsay tao izy, ka nalefany tamin’ny tady izany ho ao amin’i Jeremia ao an-davaka.
Ka nosintonin’izy ireo tamin’ny tady izy, dia nampiakariny avy ao an-davaka. Ary i Jeremia nitoetra teo an-kianjan’ny fiambenana.
Ren’i Abdemeleka etiôpianina eonòka tao an-tranon’ny mpanjaka fa hoe tao an-davaka i Jeremia; nipetraka teo am-bavahadin’i Benjamina ny mpanjaka tamin’izay;
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.