Jeremia 37:9 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iaveh: Aza mamita-tena foana ianareo, ka manao hoe: «Handeha tokoa ho any lavitra antsika any ny Kaldeanina»; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mamita-tena foana ianareo ka miteny hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory. DIEM PROTESTANTA Ary izao koa no lazaiko aminareo: Aza mamita-tena foana ka hihevitra fa lasa tanteraka ny Babilônianina, satria tsy nandeha velively ireo! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary izao koa no lazaiko aminareo: Aza mamita-tena foana ka hihevitra fa lasa tanteraka ny Babilônianina, satria tsy nandeha velively ireo! Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah: Aza mamita-tena foana hianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory. La Bible en Malgache Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mamita-tena foana ianareo ka miteny hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory. |
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo, izay eo aminareo, na ny mpanao fankatoavanareo; ary aza mihaino ny nofy alainareo ho nofy.
Ny avonavon’ny fonao nahavery saina anao! Izy izay mitoetra eny an-tsefatsefa-bato, ka ny havoana no fonenany, dia manao anankampo hoe: Zovy moa no hampidina ahy eny amin’ny tany?
fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, nefa tsinontsinona izy, dia mamita-tena izany.
Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana.
Aza mety hofitahin’olona velively, fa tsy maintsy hitranga aloha ny fivadiham-be, sy hiseho ny olom-pahotana, dia ilay zanaky ny fahaverezana.
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,