Dia nentin’i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiany avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
Jeremia 34:18 - Baiboly Katolika Ary ireo olona nivadika ny fanekena fa tsy nanatanteraka ny tenin’ny fanekena nataony teo anatrehako, hataoko tahaka ny vantotr’ombalahy nosasahina roa handehanany eo anelanelan’ny tapany avy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin’ny fanekena izay nataony teo anatrehako, fony nosasahiny ny ombilahy kely ka nandeha teo anelanelan’ny tapany izy, DIEM PROTESTANTA «Ireo manampahefana eto Joda sy i Jerosalema, ireo mpiasam-panjakana ambony, ireo mpisorona ary ireo olona afaka rehetra teo amin’ny tany, dia nivadika ny fifanekena tamiko ka tsy nahatana ny tenin’ny fanekena nataony teo anatrehako fony nosasahana ny ombilahikely ka nandeha namaky teo anivony izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Ireo manampahefana eto Joda sy i Jerosalema, ireo mpiasam-panjakana ambony, ireo mpisorona ary ireo olona afaka rehetra teo amin’ny tany, dia nivadika ny fifanekena tamiko ka tsy nahatana ny tenin’ny fanekena nataony teo anatrehako fony nosasahana ny ombilahikely ka nandeha namaky teo anivony izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin’ny fanekena, izay nataony teo anatrehako, fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan’ny tapany izy,– Malagasy Bible Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin'ny fanekena, izay nataony teo anatrehako fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan'ny tapany izy, La Bible en Malgache Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin’ny fanekena izay nataony teo anatrehako, fony nosasahiny ny ombilahy kely ka nandeha teo anelanelan’ny tapany izy, |
Dia nentin’i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiany avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
Hoy ny navalin’i Abrahama: «Iaveh Tompo ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho?»
Salamon’i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany.
Ataovy am-bava ny anjomara, fa misy, toy ny voromahery, hiantefa amin’ny tranon’i Iaveh!... Satria izy ireo nivadika ny fanekeko, sy nandika ny lalàko.
fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.
Raha eo afovoanao, amin’ny iray amin’ny tanànanao izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, no misy lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fivadihana ny fanekeny,
Raha mandika ny faneken’i Iaveh Andriamanitrareo izay nandidiany anareo ianareo ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anoloan’ireny dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh, ka vetivety dia ho lany ringana tsy ho eo amin’ny tany soa nomeny anareo ianareo.
Efa nanota i Israely, fa ny fanekeko nasaiko notandremany, nivadihany, ka nangalany ny zavatra natao anatema, norobainy izany, sady namitahany fa nafeniny tany anaty entany.