Marina Ianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny: Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?
Jeremia 32:16 - Baiboly Katolika Nony voatolotro an’i Baròka zanak’i Nerià ny fanekem-pividianana, dia izao no vavaka nataoko tamin’i Iaveh: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa voatolotra an’i Baroka, zanak’i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia nivavaka tamin’NY TOMPO aho hoe: DIEM PROTESTANTA Rehefa avy nanolotra ny taratasim-pivarotana tamin’i Baròka zanakalahin’i Nerià aho, dia nivavaka tamin’ny TOMPO ka nanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa avy nanolotra ny taratasim-pivarotana tamin’i Baròka zanakalahin’i Nerià aho, dia nivavaka tamin’ny TOMPO ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa voatolotra an’i Baroka, zanak’i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, dia nivavaka tamin’i Jehovah aho hoe: Malagasy Bible Ary rehefa voatolotra an'i Baroka, zanak'i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia nivavaka tamin'i Jehovah aho hoe: La Bible en Malgache Ary rehefa voatolotra an’i Baroka, zanak’i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia nivavaka tamin’NY TOMPO aho hoe: |
Marina Ianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny: Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?
Dia natolotro an’i Baròka, zanak’i Nerià, zanak’i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan’i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan’ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pihavanana sy teo anatrehan’ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan’ny fiambenana.
Ny teny nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Baròka zanak’i Nerià, fony izy nanoratra ireo teny ireo tamin’ny taratasy araka ny nanononan’i Jeremia azy, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, toy izao: