Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 32:11 - Baiboly Katolika

Manaraka izany, nalaiko ny fanekem-pividianana, dia ilay anankiray efa voaisy tombokase, ilay misy ny famarafarana sy ny fepetra, sy ilay anankiray mivelatra koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao mbamin’ny taratasy mivelatra koa;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia nalaiko ny dikan’ny taratasy fifampivarotana vita tombokase araka izay notakin’ny lalàna sy ilay dika iray misokatra,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia nalaiko ny dikan’ny taratasy fifampivarotana vita tombokase araka izay notakin’ny lalàna sy ilay dika iray misokatra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin’ny taratasy mivelatra koa;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao mbamin’ny taratasy mivelatra koa;

Jereo ny toko



Jeremia 32:11
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia natolotro an’i Baròka, zanak’i Nerià, zanak’i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan’i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan’ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pihavanana sy teo anatrehan’ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan’ny fiambenana.


Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly, ka nony nitondra an’i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,


satria tsy misy olona mahalala toa anao ny amin’ny fanao aman’ady hevitry ny Jody. Koa mihanta aminao aho mba hihaino ahy kely amim-paharetana.


Ary raha ady hevitra no tadiavin’ny sasany, dia tsy mba fombantsika izany, na fomban’ny Eglizin’Andriamanitra.