Nohenoin’i Abrahama i Efrôna ka nolanjain’i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia volafotsy efajato sikla, araka ny fandraisan’ny mpivarotra azy.
Jeremia 32:10 - Baiboly Katolika Dia nosoratako ny fanekena sady nasiako tombokase, sy nangalako vavolombelona, vao nolanjaiko tamin’ny mizàna ny vola. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nosoratako tamin’ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona maromaro, ary nolanjaiko tamin’ny mizana ny vola. DIEM PROTESTANTA Nataoko dika roa mitovy ny taratasy fivarotana. Teo imason’ny vavolombelona no nohidiko tamin’ny tombokaseko ny dikan’ny taratasy fifampivarotana iray ary nolanjaiko tamin’ny mizàna ny lanjan’ny volafotsy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nataoko dika roa mitovy ny taratasy fivarotana. Teo imason’ny vavolombelona no nohidiko tamin’ny tombokaseko ny dikan’ny taratasy fifampivarotana iray ary nolanjaiko tamin’ny mizàna ny lanjan’ny volafotsy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nosoratako tamin’ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin’ny mizana ny vola. Malagasy Bible Ary nosoratako tamin'ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin'ny mizana ny vola. La Bible en Malgache Ary nosoratako tamin’ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona maromaro, ary nolanjaiko tamin’ny mizana ny vola. |
Nohenoin’i Abrahama i Efrôna ka nolanjain’i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia volafotsy efajato sikla, araka ny fandraisan’ny mpivarotra azy.
Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan’i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin’ny zanak’i Heta.
Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho, sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon’i Iaveh.
Koa ankehitriny mandehana soraty eo anatrehany amin’ny fàfana izany, ary ataovy an-tsoratra ao anatin’ny boky, hany ka amin’ny andro ho avy dia ho vavolombelona mandrakizay izany.
Ny iray hilaza hoe: An’i Iaveh aho! ny iray kosa hiantso ny anaran’i Jakôba ho fiarovana; ny hafa indray hanoratra amin’ny tanany hoe: An’i Iaveh! ary halainy ho fanampin’anarana, ny anaran’i Israely.»
Dia natolotro an’i Baròka, zanak’i Nerià, zanak’i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan’i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan’ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pihavanana sy teo anatrehan’ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan’ny fiambenana.
Ary Ianao, ry Iaveh Tompo ô, nanao tamiko hoe: Vidio vola io saha io ho anao, ka asio vavolombelona; ary ny tanàna ity voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina!...»
Hovidin’ny olona vola ny saha dia hanaovana fanekena izany, hasiana tombokase sy hangalana vavolombelona eo amin’ny tanin’i Benjamina, sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema sy eo amin’ny tanànan’i Jodà, eo amin’ny tanànan’ny tendrombohitra sy ny tanànan’i Sefelah, ary amin’ny tanànan’i Negeba; satria hampodiko ireo lasan-ko babo, - teny marin’i Iaveh. -
Nony nandeha izy ireo, dia sady nasiany tombokase ny vato no nametrahany mpiambina teo, mba hahazoany antoka marina ny amin’ny fasana.
Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»
Tao aminy ianareo no nino, rehefa nahare ny tenin’ny fahamarinana, ny Evanjelin’ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombokasen’ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina,
Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, izay nanasiana tombokase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.
Nandeha ireo lehilahy ireo, ary noteteziny ny tany, nalahany tamin’ny boky ny toetrany isan-tanàna, nataony fito toko, dia niverina tany amin’i Jôsoe tao an-toby tao Silao izy.
Dia nahita Anjely iray hafa koa aho, niakatra avy amin’ny fiposahan’ny masoandro, nitana ny fitombok’Andriamanitra velona, ary niantso mafy an’ireo Anjely efatra nasaina nanimba ny tany aman-dranomasina,
ary norarana tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo, fa ny olona tsy manana ny fitombok’Andriamanitra teo an-kandriny ihany.
Niakatra teo am-bavahadin’ny tanàna i Booza ka nipetraka tao. Ary ity tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan’i Booza, ka hoy izy taminy: «O Ranona irỳ ô, mijanòna kely, mipetraha eto.» Dia nijanona ilay lehilahy sady nipetraka.