Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 32:1 - Baiboly Katolika

Teny avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia, tamin’ny taona faha-10 nanjakan’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà. Taona faha-18 nanjakan’i Nabokodonozora kosa izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, dia ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Nebokadnezara.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nisy torolalana avy amin’ny TOMPO ho an’i Jeremià tamin’ny taona fahafolo nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, izany hoe ny taona faha-18 nanjakàn’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nisy torolalana avy amin’ny TOMPO ho an’i Jeremià tamin’ny taona fahafolo nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, izany hoe ny taona faha-18 nanjakàn’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Nebokadnezara.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, dia ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Nebokadnezara.

Jereo ny toko



Jeremia 32:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary 21 taona i Sedesiasa fony vao nanjaka, ary 11 taona no nanjakany tao Jerosalema.


Izao no teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia, raha nirahin’i Sedesiasa mpanjaka, ho any aminy, i Fasora zanak’i Melkiasa sy i Sôfôniasa mpisorona, zanak’i Maasiasa, hanao aminy hoe:


Teny tonga tamin’i Jeremia, momba ny vahoaka rehetra any Jodà, tamin’ny taona faha-4 nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, taona voalohany nanjakan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.


Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, dia izao no teny natao avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia.


Teny avy amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia, fony i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mbamin’ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetra amin’ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin’i Jerosalema mbamin’ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:


olona tamin’ny mponina tao Jerosalema, 832, tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Nabokodonozora;