Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 3:7 - Baiboly Katolika

Dia hoy aho: «Hiverina amiko izy, rehefa avy nanao izany rehetra izany!» Kanjo tsy niverina izy. I Jodà, mpivadika, rahavaviny, dia nahita izany koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nataoko fa hiverina Amiko izy rehefa avy nanao izany rehetra izany, kanjo tsy niverina izy. Ary i Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy Aho anakampo hoe: Rehefa afaka izany dia hiverina amiko izy. Kanjo tsy niverina izy; ary nahita izany i Joda mpivadika rahavaviny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy Aho anakampo hoe: Rehefa afaka izany dia hiverina amiko izy. Kanjo tsy niverina izy; ary nahita izany i Joda mpivadika rahavaviny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nataoko fa hiverina Amiko izy rehefa avy nanao izany rehetra izany, kanjo tsy niverina izy. Ary i Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.

Jereo ny toko



Jeremia 3:7
15 Rohy Ifampitohizana  

fa Andriamanitry ny rainy no nokatsahiny, ary narahiny ny didiny fa tsy naka tahaka ny nataon’i Israely.


Marina Ianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny: Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?


Tsy hitanao va ny lazain’ity vahoaka ity ataony hoe: «Efa narian’i Iaveh ny fianakaviana roa nofidiny!» Manamavo ny vahoakako izy izany ka ataony ho tsy firenena intsony aza izy eo anatrehan’izy ireo.


Satria efa nivadika tamiko, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, - teny marin’i Iaveh. -


Ny zokinao vavy, monina ao ankavianao, dia i Samaria mbamin’ny zanany vavy; ary i Sôdôma mbamin’ny zanany vavy no zandrinao vavy monina eo ankavananao.


Tsy nomba ny lalan’ireo sy nanaraka ny fahavetavetany fotsiny ianao: tsy ampy anao izany, fa nihasimba mihoatra noho ireo aza ianao, tamin’izay nalehanao rehetra.


Efa tapa-kevitra ny hisaraka amiko ny vahoakako; nisy niantso azy any ambony, nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.


Hofaizina i Samaria, fa niodina tamin’ny Andriamaniny; ho lavon-tsabatra izy ireo! hotorotoroina ny zanany madinika; ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.


Tanàna roa aman-telo no indray miezaka mankany an-tanàna hafa, mba hisotro rano, kanjo tsy mety afa-ketaheta ireny; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -


I Jodà mpivadika, ary i Israely sy i Jerosalema nahavitana fahavetavetana; fa mandoto ny zava-boatokana ho an’i Iaveh, dia izay tian’i Iaveh, Jodà; nanambady ny zanaka vavin’ny andriamani-kafa izy.