21 taona i Sedesiasa fony vao nanjaka, ary nanjaka 11 taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy ao Lobnà.
Jeremia 27:1 - Baiboly Katolika Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, dia izao no teny natao avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO hoe: DIEM PROTESTANTA Tamin’ny fiandohan’ny nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny fiandohan’ny nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy TAMIN’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah hoe: Malagasy Bible Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe: La Bible en Malgache Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO hoe: |
21 taona i Sedesiasa fony vao nanjaka, ary nanjaka 11 taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy ao Lobnà.
Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, no nahatongavan’izao teny izao, avy amin’i Iaveh, ho amin’i Jeremia.
Ary i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà koa, efa nilazako izany teny rehetra izany, nataoko hoe: Ampidiro ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
Dia ampanatero izany ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma, ny mpanjakan’i Moaba, ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ny mpanjakan’i Tira, ary ny mpanjakan’i Sidona, amin’ny alalan’ireo iraka izay tonga tatỳ Jerosalema ho any amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà:
Tamin’izany taona izany ihany, dia tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesisa, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko tao an-tranon’i Iaveh, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Hananiasa mpaminany, zanak’i Azôra, avy any Gabaôna, nanao hoe:
Teny avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia, tamin’ny taona faha-10 nanjakan’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà. Taona faha-18 nanjakan’i Nabokodonozora kosa izany.