Tsy efa renao va fa hatry ny ela no nanaovako izany zavatra izany, ary efa nokasaiko fahataloha izany? Ankehitriny no ataoko izay hahatanterahany; hampanjarianao ho korontan-javatra rava ny tanàna mimanda.
Jeremia 26:18 - Baiboly Katolika i Mikea avy any Môresheta dia naminany, ka nilaza tamin’ny vahoakan’i Jodà rehetra hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hasaina toy ny tanimboly i Siôna; hanjary antontan-java-drava i Jerosalema ary havoana miboalaboala ny tendrombohitra misy ny tempoly. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Mika morastita dia naminany tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ary niteny tamin’ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: «I Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Trano dia ho tonga toy ny havoana voarakotra ala» (Mik 3.12). DIEM PROTESTANTA –Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.» Baiboly Protestanta Malagasy Mika Morastita dia naminany tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ka nanao tamin’ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: ,,Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala’’ (Mik. 3.12). Malagasy Bible Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12). La Bible en Malgache I Mika morastita dia naminany tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ary niteny tamin’ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: «I Ziona* dia hasaina toy ny tanimboly, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Trano dia ho tonga toy ny havoana voarakotra ala» (Mik 3.12). |
Tsy efa renao va fa hatry ny ela no nanaovako izany zavatra izany, ary efa nokasaiko fahataloha izany? Ankehitriny no ataoko izay hahatanterahany; hampanjarianao ho korontan-javatra rava ny tanàna mimanda.
Dia nanetry tena i Ezekiasa noho ilay niavonavonan’ny fony, dia izy mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka tsy niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy ireo, nandritra ny andro niainan’i Ezekiasa.
Salamon’i Asafa. Ry Andriamanitra ô, ibosesehan’ny firenena ny lovanao, ka ny tempolinao masina nolotoiny; i Jerosalema nataony korontam-bato;
Ry tendrombohitro izay any an-tany lemaka hatolotro ho babo avokoa ny fanananao, ny rakitrao, ny fitoeranao avo, noho ny fahotanao, teo amin’ny faritaninao rehetra.
Ary i Babela dia ho korontam-bato, ho fieren’amboadia, ho fampitahorana sy fanesoana, tsy hisy mponina.
Iza no olon-kendry izay mba hahafantatra izao, izay efa nitenenan’ny vavan’i Iaveh, mba hampahalala izao? Nahoana no rava ny tany sy kila tahaka ny efitra, tsy misy olo-mandalo akory?
Tenin’i Iaveh natao tamin’i Mikea avy ao Môreseta, tamin’ny andro nanjakan’i Joatana sy i Akaza ary i Ezekiesa, mpanjakan’i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an’i Samaria sy i Jerosalema.
Koa noho ny aminareo, i Siôna hanjary saha asaina, i Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!
Izao no ho tonga any am-paran’ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh, haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin’ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena.
Izao no lazain’i Iaveh: «Tafaverina eto i Siôna Aho, ka te honina eo afovoan’i Jerosalema; i Jerosalema hantsoina hoe: ny tanànan’ny fahamarinana; ary ny tendrombohitr’i Iavehn’ny tafika, hatao hoe: ny tendrombohitry ny fahamasinana.»