Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»
Jeremia 23:28 - Baiboly Katolika Aoka ny mpaminany nanonofy hilaza izany nofy izany; ary izay manana ny teniko, hilaza marina ny teniko. Fa inona izay mololo raha miolotra amin’ny vary? - teny marin’i Iaveh. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa inona moa izay mololo raha oharina amin’ny vary? Hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko! Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko! Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, Ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin’ny vary? hoy Jehovah. Malagasy Bible Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary? hoy Jehovah. La Bible en Malgache Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa inona moa izay mololo raha oharina amin’ny vary? Hoy NY TOMPO. |
Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»
Fa hoy ny mpanjaka taminy: «Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko, amin’ny Anaran’i Iaveh, afa-tsy ny marina ihany?»
Ny vavolombelona mahatoky, tsy mba mandainga; fa ny vavolombelona tsy marina kosa, milaza lainga.
Ry variko velezina ô, voam-barin’ny famoloako, izay reko tamin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no ambarako aminareo.
Reko ny lazain’ireo mpaminany ireo, izay maminany lainga amin’ny Anarako, manao hoe: «Nanonofy aho; nanonofy aho!»
Ary hoy i Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: «Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin’i Iaveh anareo.»
Dia hoy i Iaveh: «Satria izy ireo nahafoy ny lalàko, izay nataoko teo anoloany; tsy nihaino ny feoko, sy tsy nanaraka izany.
Fa tafanika tamin’ny varavarankelintsika ny fahafatesana, tafiditra ny lapantsika izy, handringana ny zaza eny an-dalambe, sy ny zatovo eny an-kianjam-bahoaka:
Izao no tenin’i Iaveh Tompo: Loza ho an’ny mpaminany adala, izay manaraka ny sainy fotsiny, fa tsy mahita na inona na inona!
«Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany?
Ary hoy ny Tompo: «Iza no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana?
Fa tsy mba toy ny sasany izay mampifaho ny tenin’Andriamanitra izahay, fa tsy misy famahony sy araka ny nanomezan’Andriamanitra azy no itorianay azy eo anatrehan’Andriamanitra, ao amin’i Kristy.
Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika Izay nankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,