Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 22:7 - Baiboly Katolika

Efa manomana mpandrava hamely anao Aho, ka samy mitondra ny fiasàny avy izy ireo; hokapainy ny sederanao voafantina, dia hatsipiny amin’ny afo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, ary samy hitondra ny fiadiany avy izy; dia hokapain’ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hanetsika mpandrava hamely anao Aho, dia mpandrava izay samy ary fitaovana. Hokapainy ny sederanao voafantina ka hatsipiny any anaty afo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hanetsika mpandrava hamely anao Aho, dia mpandrava izay samy ary fitaovana. Hokapainy ny sederanao voafantina ka hatsipiny any anaty afo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain’ireo ny sederanao voafantina Ka hariany ao anaty afo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain'ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, ary samy hitondra ny fiadiany avy izy; dia hokapain’ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.

Jereo ny toko



Jeremia 22:7
14 Rohy Ifampitohizana  

Hamely an’ilay Masin’i Israely. Ny mpanomponao no efa naniratsiranao ny Tompo, ary ianao efa nanao hoe: ‹Amin’ny hamaroan’ny kalesiko no efa niakarako teny antampon-tendrombohitra, teny amin’ny fara sisin’i Libàna; hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sipresa ao aminy, ny tsara indrindra amin’ny sipresa ao aminy, dia hahatakatra ny tendrony avo indrindra aho, mbamin’ny alany, hoatra ny saha misy hazo mamoa.


Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho, ao amin’ny renin’ny mpiady tanora amin’ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.


Hanasazy anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - handrehitra afo amin’ny alany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.


Inty Aho mitondra hamely anareo firenena iray avy lavitra, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh; firenena mahery izy io, firenena fahagola, firenena tsy hainao fiteny, ary tsy fantatrao izay lazainy.


Vohay ny vavahadinareo, ry Libàna, ary koa ho levon’ny afo ny sederanao!


Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany.