Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira;
Jeremia 15:17 - Baiboly Katolika Tsy mba nipetraka teo amin’ny fivorian’ny mpihomehy aho, mba hiaranako amin’ny firavoravoana; fa nipetraka nanirery teo ambanin’ny tananao aho, satria nofenoinao hatezerana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho dia tsy nipetraka na nifaly teo amin’ny fivorian’ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan’ny tananao ahy satria nofenoinao fahatezerana aho. DIEM PROTESTANTA Tsy nipetraka hamalifaly ny tenako teo amin’ny fivorian’ny mpikorana aho, fa noteren’ny herinao hitoetra irery satria nofenoinao ny fahatezeranao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy nipetraka hamalifaly ny tenako teo amin’ny fivorian’ny mpikorana aho, fa noteren’ny herinao hitoetra irery satria nofenoinao ny fahatezeranao. Baiboly Protestanta Malagasy Izaho tsy nipetraka na nifaly teo amin’ny fivorian’ny mpikorana, Nitoetra irery aho noho ny fihazonan’ny tànanao ahy, Fa nofenoinao fahatezerana aho. Malagasy Bible Izaho tsy nipetraka na nifaly teo amin'ny fivorian'ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan'ny tananao ahy, fa nofenoinao fahatezerana aho. La Bible en Malgache Izaho dia tsy nipetraka na nifaly teo amin’ny fivorian’ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan’ny tananao ahy satria nofenoinao fahatezerana aho. |
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira;
ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin’ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.»
Raha tsy mihaino izany ianareo, dia hitomany mangingina ny fanahiko noho ny fiavonavonanareo; hamarin-dranomaso mangidy ny masoko, hanao ranomaso havozona aho, satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.
Aza mankeny amin’ny trano fanasana ianao, mba hiara-mipetraka aminy, hihinana sy hisotro.
Izaho anefa, efa feno ny fahatezeran’i Iaveh, ka sasatra ny mitana izany. Aidino amin’ny ankizy eny an-dalambe izany, sy eo amin’ny fivorian’ny zatovo! Fa samy hosamborina avokoa na lahy na vavy, na ny antitra sy ny efa ela niainana.
Dia niteny ilay Anjelin’i Iaveh nanao hoe: Ry Iavehn’ny tafika ô, mandra-pahoviana Ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà, izay itezeranao efa hatramin’ny fitopolo taona?
Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;