Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 14:6 - Baiboly Katolika

Ny ampondra dia, mijanona eny amin’ny havoana, manambolo rivotra hoatra ny amboadia; manjambena ny masony, noho ny tsy fisian’ny zava-maitso.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady ny borikidia, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; jambena ny masony noho ny tsy fisian’ny ahitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny borikidia koa mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, ka mihanahana manambolo rivotra toy ny fanaon’ny amboadia. Jambena ny masony satria tsy misy ahitra intsony!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny borikidia koa mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, ka mihanahana manambolo rivotra toy ny fanaon’ny amboadia. Jambena ny masony satria tsy misy ahitra intsony!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny boriki-dia mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, Mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian’ny ahitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny borikidia mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian'ny ahitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady ny borikidia, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; jambena ny masony noho ny tsy fisian’ny ahitra.

Jereo ny toko



Jeremia 14:6
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny lapa, nilaozana, ny tanàna maresaka, zary tany foana; Ofely sy ny Tilikambo fiambenana, zary fierem-biby ho mandrakizay, fikarenjen’ampondra dia, ary fiandrasana biby fiompy.


ampondra vavy dia, zatra efitra: manimbolo ny rivotra izy, noho ny firehetan’ny filàny; iza no hahasakana azy tsy hiarana amin’izay iriny? Tsy hisasatra akory izay rehetra mitady azy, fa mahita azy amin’ny volany.


Ary isika, nihavizaka ny masontsika, mbola miandry izay vonjy foana; eny an-tampon’ny tilikambontsika eny isika no nitsinjo, izay firenena tsy hahavonjy antsika akory.


Izao no antony raha marary ny fonay, izao no antony raha nihamaizina ny masonay.


Endrey izany fitolokon’ny biby; Mihoalahoala ny andian’omby, satria tsy manan-kanina izy, miferinaina mbamin’ny andian’ondry.


Dia hoy i Jônatasy: «Nampidirin’i dada angano lahy ny vahoaka! Jereo ange ity fihiratry ny masoko, azon’ilay izaho nanandrana kely tamin’ny tantely teo!