Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 59:5 - Baiboly Katolika

Mikotrika atody menarana izy, sy manenona tranon-kala: izay mihinana amin’ny atodiny, ho faty; ary raha potsirina izany, dia menarana no mivoaka avy ao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mikotrika atodin’ny menarana izy ary manenona tranon-kala. Ho faty izay homana ny atodin’ireny, fa raha vakina iny dia menarana no miporitsaka avy ao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Toa atodin’ny menarana no kotrehin’ny fikasanareo, ka izay manandrana amin’ireny dia maty: vao vaky iny, dia menarana no mivoaka avy ao. Toa ladin-kala ny lamba tenominareo ka tsy natao hotafîna na hirakofana izany satria zavatra mampidi-doza. Herisetra no asa vokarin’ny tananareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toa atodin’ny menarana no kotrehin’ny fikasanareo, ka izay manandrana amin’ireny dia maty: vao vaky iny, dia menarana no mivoaka avy ao. Toa ladin-kala ny lamba tenominareo ka tsy natao hotafîna na hirakofana izany satria zavatra mampidi-doza. Herisetra no asa vokarin’ny tananareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mikotrika ny atodin’ny menarana izy Ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin’ireny dia ho faty, Fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mikotrika ny atodin'ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin'ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mikotrika atodin’ny menarana izy ary manenona tranon-kala. Ho faty izay homana ny atodin’ireny, fa raha vakina iny dia menarana no miporitsaka avy ao.

Jereo ny toko



Isaia 59:5
6 Rohy Ifampitohizana  

Ho maito ny tokiny, hanahaka ny tranon-kala ny fitokiany.


Fa hanaikitra toy ny bibilava izy amin’ny farany, ary hanindrona toy ny menarana.


Aza manaram-po amin’ny fifaliana, ry Filistinina manontolo, noho ny nahatapahan’ny tsora-kazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany.


Ao ny bibilava no hanao ny akaniny sy hanatody sy hikotrika azy hanangona ny zanany eo ambanin’ny alokalony. Hiangona ao avokoa ny papango.


Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?


Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: «Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?