Isaia 53:8 - Baiboly Katolika Nesorina izy noho ny fampahoriana sy ny fitsaràna; ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra, fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy, ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’izay niara-belona Taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy? DIEM PROTESTANTA Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina; ka, tamin’ireo mpiara-belona taminy, iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy. Fa nofongorana teo amin’ny tanin’ny velona izy; ary ny heloky ny mpiray firenena aminy no nikapohana azy ho faty? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina; ka, tamin’ireo mpiara-belona taminy, iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy. Fa nofongorana teo amin’ny tanin’ny velona izy; ary ny heloky ny mpiray firenena aminy no nikapohana azy ho faty? Baiboly Protestanta Malagasy Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; Ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra Fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy, Ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy? Malagasy Bible Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? La Bible en Malgache Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’izay niara-belona Taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy? |
Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Izaho, tamin’izany, hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina, ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe: «Fongory mbamin’ny voany ny hazo! Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!»
Dia hoy ny Jody namaly azy: «Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay dia tsy maintsy hovonoina Izy, satria nanao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.»
Fitsarana miangatra erỳ no nanesorana Azy; ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra fa nongotana tamin’ny tanin’ny velona izy?»
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan’ny maty, araka ny fanahin’ny fahamasinana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.