Ny tanàna fonenany dia foana tsy misy intsony, ny trano tsy misy olona intsony, zary korontam-bato no halehany.
Isaia 5:8 - Baiboly Katolika Loza ho an’izay manampy trano amin’ny trano, sy manitatra saha amin’ny saha, mandra-paha-tsy misy manelanelana intsony, fa dia izy irery no honina eo afovoan’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lozanareo izay manampy trano amin’ny trano sady manampy saha amin’ny saha ambara-paha tsy hisy hitoeran’ny sasany intsony! Fa ianareo irery no monina eo amin’ny tany! DIEM PROTESTANTA Lozan’ireo olona mpangorona manangon-trano miampy trano sy mamory saha miampy saha, mandra-paha tsy hisy toerana ho an’ny hafa intsony, ka hahatonga azy ho toka-monina amin’ny tany! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lozan’ireo olona mpangorona manangon-trano miampy trano sy mamory saha miampy saha, mandra-paha tsy hisy toerana ho an’ny hafa intsony, ka hahatonga azy ho toka-monina amin’ny tany! Baiboly Protestanta Malagasy Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin’ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran’ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin’ny tany hianareo! Malagasy Bible Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin'ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin'ny tany ianareo! La Bible en Malgache Lozanareo izay manampy trano amin’ny trano sady manampy saha amin’ny saha ambara-paha tsy hisy hitoeran’ny sasany intsony! Fa ianareo irery no monina eo amin’ny tany! |
Ny tanàna fonenany dia foana tsy misy intsony, ny trano tsy misy olona intsony, zary korontam-bato no halehany.
Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
«Ry zanak’olona, ireo rahalahinao, olona anisan’ny fianakavianao, sy ny taranak’i Israely rehetra, dia izy rehetra no ilazan’ny mponina ao Jerosalema hoe: ‹Mijanòna any lavitra an’i Iaveh ianareo; fa izahay no nomena ity tany ity ho fananana.›
Ry zanak’olona, ireo monina ao amin’ireny toeran-dravarava amin’ny tanin’i Israely ireny, manao hoe: «Irery i Abrahama, ary efa nahazo ny tany ho anjarany; isika kosa maro ary efa nomena antsika ny tany ho fananantsika.»
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’ny taranak’i Amôna, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka teo Galaada, mba hanitarany ny faritaniny,
Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa, tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Tsiriritiny ny saha ka alainy, ny trano koa ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.
Moa va izy ireo, dia izy rehetra, tsy hanonona oha-teny momba azy amam-panoharana sy ankamantatra mihatra aminy? Hanao hoe: Mila loza izay mandroaka ny tsy azy, - mandra-pahoviana? - sy ho an’izay mandray ho entana tataoviny ny zavatra natao tsatòka.
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.