Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 49:5 - Baiboly Katolika

Ary ankehitriny miteny i Iaveh, izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony, hampody an’i Jakôba aminy indray, ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely. - Ary mahazo voninahitra eo imason’i Iaveh aho, ary Andriamanitro no heriko. -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ankehitriny dia hoy NY TOMPO izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao Aminy indray sy hamoriana ny Israely ho ao Aminy; fa mahazo voninahitra eo imason’NY TOMPO Aho, ary Andriamanitro no heriko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ankehitriny kosa niteny tamiko ny TOMPO, Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba hahatonga ahy ho mpanompony ka hampodiako aminy ny taranak’i Jakôba sy hamoriako ny vahoaka Israely ho eo anilany; fa mahazo voninahitra eo imason’ny TOMPO aho, ary Izy Andriamanitro no heriko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ankehitriny kosa niteny tamiko ny TOMPO, Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba hahatonga ahy ho mpanompony ka hampodiako aminy ny taranak’i Jakôba sy hamoriako ny vahoaka Israely ho eo anilany; fa mahazo voninahitra eo imason’ny TOMPO aho, ary Izy Andriamanitro no heriko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, Hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray Sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason’i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason'i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ankehitriny dia hoy NY TOMPO izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao Aminy indray sy hamoriana ny Israely ho ao Aminy; fa mahazo voninahitra eo imason’NY TOMPO Aho, ary Andriamanitro no heriko.

Jereo ny toko



Isaia 49:5
30 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: «Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’i Iaveh no herinareo.»


Ary izy hanangam-paneva ho an’ny firenena, hamory ny voasesitany amin’i Israely; hanangona ny tafaely amin’i Jodà, avy any amin’ny vazantany efatra.


Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»


Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.


Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: hahintsan’i Iaveh ny vary hatramin’ny masondranon’ny Ony, ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia hotazana tsirairay ianareo, ry zanak’i Israely.


Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho, hanome olona maro ho takalonao Aho, sy firenena maro, ho solon’ny ainao.


Izao no lazain’i Iaveh, izay nanao anao, sy namorona anao hatrany am-bohoka, sady namonjy anao: «Aza matahotra, ry Jakôba mpanompoko, ry Israeliko, izay nofidiko!


Mihainoa ahy, ry Nosy; mitandrema ianareo, ry firenena lavitra! I Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny.


Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.


Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.


- teny marin’i Iaveh Tompo - izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely! Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy, hanampy ireo efa voavory sahady.


«Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.»


Izy no hanao ny tempolin’i Iaveh, hotafiana fiandrianana, hipetraka ho mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianany, ho mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany, ary hisy fisainam-pihavanana eo amin’izy roaroa.


Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.


Ary hoy ny navaliny azy: «Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.»


Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»


Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao?


Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;


Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»


«Raha izay kosa mantsy ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin’ity andro nomena anao ity ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny.


Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra.


Nampitondra teny tamin’ny zanak’i Israely Izy, mba hanambara fiadanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay Tompon’izao rehetra izao.


Fa i Kristy, dia lazaiko marina, fa natao mpandraharaha ny voafora mba haneho ny fahamarinan’Andriamanitra, amin’ny fanatanterahana ny teny napetraka tamin’ny razan’izy ireo;


Nefa, nony sitrak’Andriamanitra, Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany,


dia Ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay, ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.