Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: «Efa ela niakarana tany Jerosalema ianareo, ry Israely, ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.»
Isaia 44:10 - Baiboly Katolika Iza no namorona andriamanitra sy nanao sampy anidina, mba tsy hahazoany soa na inona na inona? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra voarendrika izay tsy mahasoa akory? DIEM PROTESTANTA Iza no hanamboatra andriamani-tsiizy, handrendrika sarivongana tsy mahasoa akory? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Iza no hanamboatra andriamani-tsiizy, handrendrika sarivongana tsy mahasoa akory? Baiboly Protestanta Malagasy Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory? Malagasy Bible Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory? La Bible en Malgache Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra voarendrika izay tsy mahasoa akory? |
Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: «Efa ela niakarana tany Jerosalema ianareo, ry Israely, ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.»
Rehefa nanao sampy anidina ny mpanao taozavatra dia petahan’ny mpanefy volamena takela-bolamena, sy anaovany tongalika volafotsy anidina.
Indro fa zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivo-poana ny sampiny.
Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan’ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampy hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.
Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!
Inona no asan’izay sarin-javatra voapaika, no mipaika azy ny mpamorona azy, na ny sampy anidina sy ny mpanambara lainga, no matoky izay asan-tanany ny mpamorona azy, amin’ny fanamboarana andriamanitra moana?
Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efezy ihany, fa saika eran’i Azia manontolo, dia mitaona olona betsaka hanary ny sampy iny Paoly iny manao hoe: ‹Tsy andriamanitra ireo nataon-tanan’olona›,
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.