Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 34:4 - Baiboly Katolika

Ny tafiky ny lanitra rehetra ho zary vovoka; ny lanitra hahorona hoatra ny taratasy; ary ny tafiny rehetra hiraraka hoatra ny firaraky ny ravim-boaloboka, hoatra ny firaraky ny ravina malazo amin’ny aviavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ho levona ny tafiky ny lanitra rehetra ary hahorona tahaka ny fangorona taratasy ny lanitra; ny tafiny rehetra dia halazo tahaka ny falazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo, mihintsana avy amin’ny aviavy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny andian-tafiky ny kintana dia ho potika hiraraka avokoa; hihorona toy ny horonan-taratasy ny habakabaka; ary toy ny fihintsan’ny ravim-boaloboka maina na toy ny fihintsan’ny ravin’aviavy malazo no hihintsanan’ny planeta aman-kintana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny andian-tafiky ny kintana dia ho potika hiraraka avokoa; hihorona toy ny horonan-taratasy ny habakabaka; ary toy ny fihintsan’ny ravim-boaloboka maina na toy ny fihintsan’ny ravin’aviavy malazo no hihintsanan’ny planeta aman-kintana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay rehetra eny amin’ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo Tahaka ny fahalazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, Ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ny aviavy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ho levona ny tafiky ny lanitra rehetra ary hahorona tahaka ny fangorona taratasy ny lanitra; ny tafiny rehetra dia halazo tahaka ny falazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo, mihintsana avy amin’ny aviavy.

Jereo ny toko



Isaia 34:4
20 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany, ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.


Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany, azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika, amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.


Akory ity ianao no potraka avy any an-danitra, ry kintana mamirapiratra, zanaky ny maraina? Akory ity ianao no mitsingidina amin’ny tany, ianao ilay mpandrava firenena?


Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo, dia ampidino ho amin’ny tany ny fijerinareo; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka; ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana; ny mponina eo aminy ho levona torak’izany koa; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay; ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.


Eo anoloan’izy io, mihorohoro ny tany, mihozongozona ny lanitra, mihamaizina ny masoandro amam-bolana, ary mihamaloka ny kintana.


«Ary raha vao afaka izany andron’ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin’ny lanitra.


Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.


Ny teny hoe indray maka koa milaza fa ny zavatra hozongozonina dia hovana araka ny fomban-javatra natao, mba haharetan’izay zavatra tsy hozongozonina.


Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;


Nony nosokafany ny tombokase fahenina, dia hitako, fa indro nisy horohoron-tany mafy, ary ny masoandro tonga mainty toy ny akanjo malailay volom-biby; ny volana manontolo nanjary toy ny ra;


Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon’ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon’ny andro, ary toraka izany koa ny alina.