Fa hoy i Iaveh taminy: «Iza moa no nanao ny vavan’ny olombelona, ary zovy no mahatonga azy ho moana na marenina, mahiratra na jamba? Tsy Izaho Iaveh va?
Isaia 32:4 - Baiboly Katolika ny fon’ny maivan-doha, halaky mahazo an-tsaina; ny lelan’ny mikodedidedika, hahay miteny mazava. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hahazo fahalalana ny fon’izay maimaika ary ny lelan’izay mikodedidedy dia hahay miteny haingana sy mazava. DIEM PROTESTANTA Ny olona dodona dia handinika mba hahalala; ary ireo bada lela dia hiteny mazava sy mailamailaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny olona dodona dia handinika mba hahalala; ary ireo bada lela dia hiteny mazava sy mailamailaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ny fon’izay maimaika hahazo fahalalana, Ary ny lelan’izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy. Malagasy Bible Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy. La Bible en Malgache Hahazo fahalalana ny fon’izay maimaika ary ny lelan’izay mikodedidedy dia hahay miteny haingana sy mazava. |
Fa hoy i Iaveh taminy: «Iza moa no nanao ny vavan’ny olombelona, ary zovy no mahatonga azy ho moana na marenina, mahiratra na jamba? Tsy Izaho Iaveh va?
Ka hoy aho: Hananika ny fototr’antrendry aho, dia handray ny sampahony. Aoka ny nononao ho tahaka ny sampahom-boaloboka; ny hanitry ny fofon’ainao, ho toy ny an’ny pôma;
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa: Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.
Dia gaga ry zareo nahita ity hasahian’i Piera sy i Joany, satria fantany fa sarambaben’olona sy tsy nahita fianarana izy roa lahy, ary tandriny koa fa olona efa niaraka tamin’i Jesoa izy ireo;
Dia niely ny tenin’Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
fa vao ny lazako fotsiny no reny hoe: Ilay nanenjika antsika fahiny, dia indro ankehitriny, mitory ny finoana notadiaviny hofoanana taloha.