Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 32:16 - Baiboly Katolika

Amin’izany, ny hitsiny hitoetra any an’efitra; ny rariny hiorim-ponenana ao amin’ny sahan-kazo mamoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hitoetra any an-tany efitra ny rariny ary honina ao amin’ny saha mahavokatra ny fahamarinana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Honina any amin’ny taniefitra ny rariny ary hanjaka ao amin’ny saha mahavokatra ny hitsiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Honina any amin’ny taniefitra ny rariny ary hanjaka ao amin’ny saha mahavokatra ny hitsiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin’ny saha mahavokatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin'ny saha mahavokatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hitoetra any an-tany efitra ny rariny ary honina ao amin’ny saha mahavokatra ny fahamarinana.

Jereo ny toko



Isaia 32:16
17 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran’ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an’i Iaveh, toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.


ho fanahy fahamarinana ho an’izay mipetraka eo amin’ny seza fitsarana, ary ho hery ho an’izay manohana ny fahavalo mananika am-bavahady.


Manerinerina i Iaveh fa mitoetra any ambony Izy; fenoiny rariny amam-pahamarinana i Siôna.


Hisy arabe, hisy lalana, izay atao hoe ny lalana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.


Aoka hanandra-peo ny efitra mbamin’ny tanàna eo aminy; ny toby onenan’i Sedera! Aoka hientan-kafaliana, ny mponina any Selà; aoka hihobim-piravoravoana any an-tampon-tendrombohitra!


tsy ho ketraka izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.


Enga anie ka hihaino ny teniko ianao, dia ho tahaka ny ony ny fiadananao; ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;


Tsy hisy afa-tsy olo-marina eo amin’ny vahoakanao, ary hanana ny tany mandrakizay izy ireo; dia izy ireo solofo namboleko, asan’ny tanako, noarîna ho voninahitro.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Izao teny izao koa no holazaina any amin’ny tanin’i Jodà, sy amin’ny tanànany, raha avy izay hampodiako ireo lasan-ko babo tamin’izy ireo: Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, ry firenen’ny fahamarinana, ry tendrombohitry ny fahamasinana!


Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»


Izao no lazain’i Iaveh: «Tafaverina eto i Siôna Aho, ka te honina eo afovoan’i Jerosalema; i Jerosalema hantsoina hoe: ny tanànan’ny fahamarinana; ary ny tendrombohitr’i Iavehn’ny tafika, hatao hoe: ny tendrombohitry ny fahamasinana.»