Fa iza izato notsiratsirainao sy nalanao baraka? Zovy izato notoherinao amim-peo mihiaka, sy ami-maso misolanandrana ambony? Nanohitra ny Masin’i Iaveh ianao...!
Isaia 30:11 - Baiboly Katolika Mialà amin’ny lalana, ivilio ny lalana, esory eo imasonay ilay Masin’i Israely!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mialà amin’ny lalana, mivilia amin’ny sakeli-dalana, atsaharo tsy ho eo anoloanay intsony ny Iray Masin’ny Israely! DIEM PROTESTANTA Mivilia lalana ianareo ary mialà amin’izay voasoritra; atsaharo ny miteny eo anatrehanay an’ilay Masin’i Israely». Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mivilia lalana ianareo ary mialà amin’izay voasoritra; atsaharo ny miteny eo anatrehanay an’ilay Masin’i Israely». Baiboly Protestanta Malagasy Mialà amin’ny làlana, Mivilia amin’ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin’ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony. Malagasy Bible Mialà amin'ny lalana, mivilia amin'ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin'ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony. La Bible en Malgache Mialà amin’ny lalana, mivilia amin’ny sakeli-dalana, atsaharo tsy ho eo anoloanay intsony ny Iray Masin’ny Israely! |
Fa iza izato notsiratsirainao sy nalanao baraka? Zovy izato notoherinao amim-peo mihiaka, sy ami-maso misolanandrana ambony? Nanohitra ny Masin’i Iaveh ianao...!
Hoy anefa ireny amin’Andriamanitra: ‹Mialà aminay; fa tsy te hahalala izay lalanao akory izahay.
Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity manatona Ahy amin’ny vavany sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ny fony ampanalaviriny Ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,
dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraimbava; mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady; ary mamery ny marina amin’ny laingany.
Fa aza maminany atỳ Betela intsony, satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny atỳ, ary tranom-panjakana.»
Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: «Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!» dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity.
Nefa nanohitra azy roa lahy i Elimasy ilay mpamoha angatra (fa izany no dikan’ny anarany), ka nitady hisakana ny governora tsy hanaiky ny finoana.
Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,
mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny,
Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy; sady tsy hainy aza izany.
fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony,