Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 3:6 - Baiboly Katolika

Nony halain’ny rahalahiny ny olona anankiray, ao an-tranon-drainy ilazany hoe: «Manan-damba ianao, ka aoka ho lehibenay, ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hisy olona hohazonin’ny rahalahiny ao an-tranon’ny rainy ka hitenenany hoe: Ianao no manana fitafiana ka aoka ho mpanapaka aminay! Ary aoka ho andraikitrao izao faharavana izao!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hisy lehilahy hisambotra ny rahalahiny izay iray tarika aminy ihany ka hiangavy azy hoe: «Ianao no manam-pitafiana, koa aoka ho mpifehy anay; raiso ny andraikitrao amin’izao fahavoazana izao.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hisy lehilahy hisambotra ny rahalahiny izay iray tarika aminy ihany ka hiangavy azy hoe: «Ianao no manam-pitafiana, koa aoka ho mpifehy anay; raiso ny andraikitrao amin’izao fahavoazana izao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha misy olona angatahin’ ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha misy olona angatahin'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hisy olona hohazonin’ny rahalahiny ao an-tranon’ny rainy ka hitenenany hoe: Ianao no manana fitafiana ka aoka ho mpanapaka aminay! Ary aoka ho andraikitrao izao faharavana izao!

Jereo ny toko



Isaia 3:6
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia hikafankafana izy, amin’izany andro izany, hanao hoe: «Tsy te-ho mpanasitrana aho, fa tsy mana-mofo na lamba ao an-tranoko akory, ka aza ataonareo lehiben’ny vahoaka.»


Amin’izany andro izany, hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray, hanao hoe: «Ny mofonay no hohaninay, ary ny fitafianay no hitafianay, fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay, ka halànao tondromaso.»


Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.