Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 26:21 - Baiboly Katolika

Fa indro i Iaveh mivoaka avy amin’ny fonenany, hizaha ny tsy fahamarinan’ny mponina amin’ny tany; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny, ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa indro NY TOMPO mivoaka avy amin’ny fitoerany hampamoaka ny mponina amin’ny tany ny helony; hampiseho ny ra izay nofohiny ny tany ka tsy hanafina intsony ny olona izay novonoina teo aminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin’ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ny fitoerany Hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny Ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa indro NY TOMPO mivoaka avy amin’ny fitoerany hampamoaka ny mponina amin’ny tany ny helony; hampiseho ny ra izay nofohiny ny tany ka tsy hanafina intsony ny olona izay novonoina teo aminy.

Jereo ny toko



Isaia 26:21
28 Rohy Ifampitohizana  

Ry tany ô, aza saronanao ny rako, ary aoka hisondrotra malalaka ny fitarainako!


Ny lanitra hanambara ny helony, ary ny tany hitsangana hiampanga azy.


Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?


Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany; ary ny ratsy fanahy noho ny helony; hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha; ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.


Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Hisonanina ato amin’ny fonenako Aho, dia hijery, toy ny hafanana malefaka raha mamirapiratra ny masoandro, toy ny ranonando amin’ny hafanam-pararano.


Izao no nambaran’i Iavehn’ny tafika tamiko: «Tsy havela izany helokareo izany, mandra-pahafatinareo», hoy ny Tompo Iavehn’ny tafika.


Ary indro fa amin’izay dia tampoka sy amin’ny indray mipy maso no hisavan’i Iavehn’ny tafika anao, amin-kotrokotroka, kotro-baratra, rohondrohona mafy, tadio, tafio-drivotra, ary lelafo mandevona.


Indro fa voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina aho mandra-pamaliko, mandra-pamaliko ao an-tratran’ireny,


ny helokareo mbamin’ny heloky ny razanareo, hoy i Iaveh, ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra, sy naniratsira Ahy teny amin’ny havoana; hafatrako ao an-tratrany, ny valin’ny fitondran-tena nataony.


Injany misy kotroka sy hahohaho avy any amin’ny tanàna, ary horakoraka avy ao an-tempoly! dia ny feon’i Iaveh, mandoa ny karaman’ireo fahavalony izany.


Ary hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’izy ireo, dia izato fahavetavetana lehibe ataon’ny taranak’i Israely eto, mba hanalavirako ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe hafa koa ianao.»


Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy nanao ny atiny koa?


mba hampamoahina an’ity taranaka ity avokoa ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao,


Fa nandatsaka ny ran’ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha ra kosa no nomenao hosotroiny.»


Tao anatin’io tanàna io koa no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olo-masina, mbamin’izay rehetra novonoina tetỳ ambonin’ny tany.»