Amin’izany andro izany i Ejipta, hanahaka ny vehivavy; ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra, mahita an’i Iavehn’ny tafika manainga tanana, izay aingainy hamelezana azy.
Isaia 23:5 - Baiboly Katolika Rehefa handre izany vaovao izany i Ejipta dia ho raiki-tahotra mandre ny naharavan’i Tira. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa re tany Ejipta izany dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’i Tiro. DIEM PROTESTANTA Raha mandre izany i Ejipta, dia hihoron-koditra tahaka ny hampihoron-koditra azy koa noho izay efa hanjo an’i Tiro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha mandre izany i Ejipta, dia hihoron-koditra tahaka ny hampihoron-koditra azy koa noho izay efa hanjo an’i Tiro. Baiboly Protestanta Malagasy Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’i Tyro. Malagasy Bible Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro. La Bible en Malgache Rehefa re tany Ejipta izany dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’i Tiro. |
Amin’izany andro izany i Ejipta, hanahaka ny vehivavy; ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra, mahita an’i Iavehn’ny tafika manainga tanana, izay aingainy hamelezana azy.
Izany dia noho ny fahatongavan’ny andro handringanana ny Filistinina rehetra; handripahana an’izay sisa amin’ny mpikambana amin’i Tira sy i Sidona; fa horavan’i Iaveh ny Filistinina, izay sisa amin’ny nosy Kaftôra.
Izay rehetra nahalala anao, teo amin’ny firenena, gaga foana noho ny aminao; zary zava-mahatsiravina ianao; ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!
Amin’izany andro izany, hisy iraka avy amin’ny Anarako handeha an-dakana hampitebiteby an’i Etiôpia izay mitoetra tsy amin’ahiahy, ka hisy fanahiana lehibe any aminy, toy ny tamin’ny andron’i Ejipta, fa indro tonga izy io.