Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Isaia 23:2 - Baiboly Katolika Aoka hitanàka, ianareo mponina amorontsiraka, rakotry ny mpandranto avy any Sidona, izay mitety ranomasina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mangìna ianareo mponina amin’ny nosy izay efa nofenoin’ny mpivaro-mandeha avy any Sidona harena tamin’ny fitetezany ranomasina! DIEM PROTESTANTA «Aoka tsy hahateny tsy hahavolana ianareo mponina amoron-tsiraka, dia ianareo mpandranto ao Tsidôna izay mandefa iraka hamakivaky ny ranomasim-be.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Aoka tsy hahateny tsy hahavolana ianareo mponina amoron-tsiraka, dia ianareo mpandranto ao Tsidôna izay mandefa iraka hamakivaky ny ranomasim-be.» Baiboly Protestanta Malagasy Mangìna, hianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin’ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao. Malagasy Bible Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao. La Bible en Malgache Mangìna ianareo mponina amin’ny nosy izay efa nofenoin’ny mpivaro-mandeha avy any Sidona harena tamin’ny fitetezany ranomasina! |
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Mangina hihaino Ahy ianareo, ry nosy, ary aoka ny firenena hamelombelona ny heriny, ka hanatona sy hiteny! Andeha isika hiaraka ho eo amin’ny fitsarana
Mipetraha tsy miteny, midira ao amin’ny maizina, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: ilay tompovavin’ny fanjakana.
Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny fonao nanandra-tena, sady ianao nanao hoe: Andriamanitra aho, no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina, seza fiandrianan’Andriamanitra; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory, na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao!
I Iaveh kosa, ao amin’ny Tempoliny masina; aoka hangìna eo anatrehany ianao, ry tany rehetra.