Raiso ny lokanganao, mandehana manodidina ny tanàna, ry kala janga hadino; mitendre amim-pahaizana, hamaroy ny hiranao, mba hahatsiarovan’ny olona anao.
Isaia 23:15 - Baiboly Katolika Amin’izany i Tira dia hohadinoina fitopolo taona, araka ny halavan’ny andron’ny mpanjaka iray. Ary rehefa afaka fitopolo taona no hanjò an’i Tira dia araka ilay tononkiran’ny vehivavy janga hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, toy ny andron’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona dia hiharan’ilay tononkalo momba ny vehivavy janga i Tiro hoe: DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany, dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, izany hoe mandritra ny andro iainan’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona, dia hihatra amin’i Tiro izay nolazain’ny tonon-kira momba ny mpivarotena hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany, dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, izany hoe mandritra ny andro iainan’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona, dia hihatra amin’i Tiro izay nolazain’ny tonon-kira momba ny mpivarotena hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, Toy ny andron’ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan’ilay tonon-kalon’ny janga manao hoe: Malagasy Bible Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe: La Bible en Malgache Amin’izany andro izany dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, toy ny andron’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona dia hiharan’ilay tononkalo momba ny vehivavy janga i Tiro hoe: |
Raiso ny lokanganao, mandehana manodidina ny tanàna, ry kala janga hadino; mitendre amim-pahaizana, hamaroy ny hiranao, mba hahatsiarovan’ny olona anao.
Ary rehefa afaka fitopolo taona, dia izao no zavatra hitranga: hamangy an’i Tira i Iaveh, ka handray ny tambiny indray izy, dia hitolo-tena amin’ny fanjakana rehetra eto an-tany, manerana an’izao tontolo izao.
ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin’ny mpanjakan’ny nosy any an-dafin’ny ranomasina;
Fa izao no lazain’i Iaveh: Rehefa tapitra ny fitopolo taona, ho an’i Babilôna, no hamangiako anareo sy hanatanterahako ny teniko tsara noho ny aminareo; ka hamerina anareo amin’ity fitoerana ity Aho.
Ny sambon’i Tarsisa no niara-nandeha maro, nitatitra ny entanao. Tonga mpanefoefo sy be voninahitra ianao; teo amin’ny ranomasina.
Tsy hodiavin-tongotr’olona intsony eo; ary ny tongo-biby tsy handia azy, ary tsy hisy mponina eo, mandritra ny efapolo taona.
Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala, izay nanolorany emboka, tamin’ny andro niravahany masombola sy fehivozona, sy nanarahany ny lehilahiny; fa Izaho kosa nohadinoiny, - teny marin’i Iaveh. -
ny dimy moa efa lavo, ny iray dia eo, ny iray mbola tsy tonga, ary rehefa tonga izy dia tsy maintsy hitoetra kelikely.