Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 22:2 - Baiboly Katolika

ry tanàna be horakoraka sy feno tabataba, ry vohitra miravoravo? Ny maty eo aminao tsy mba matin-tsabatra, na lavo an’ady.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ry tanàna be horakoraka sy be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an’ady.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahoana no maresaka be ny tanàna ary feno antsoantso sy tabataba? Tsy matin-tsabatra anefa ireo maty eo aminao ary tsy maty novonoina tamin’ny ady.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahoana no maresaka be ny tanàna ary feno antsoantso sy tabataba? Tsy matin-tsabatra anefa ireo maty eo aminao ary tsy maty novonoina tamin’ny ady.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ry ilay be horakoraka, Tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an-ady.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an'ady.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ry tanàna be horakoraka sy be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an’ady.

Jereo ny toko



Isaia 22:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo, na lavo eo amin’ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


Ity va no renivohitrareo falifaly, izay efa hatramin’ny andro fahagola ny fiandohany, sy izay nentin’ny tongony lasa lavitra hitoetra any.


Eo amin’ny tanin’ny vahoakako, tsilo sy hery no maniry, na dia eo ambonin’ny trano firavoravoana rehetra aza ao amin’ny tanàna ravoravo.


Fa ny lapa, nilaozana, ny tanàna maresaka, zary tany foana; Ofely sy ny Tilikambo fiambenana, zary fierem-biby ho mandrakizay, fikarenjen’ampondra dia, ary fiandrasana biby fiompy.


Noho izany izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjakan’i Asiria: «Tsy hiditra amin’izany tanàna izany izy, na handefa zana-tsipìka ao aminy, na hanangana ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezana azy.


Dia nivoaka ny Anjelin’i Iaveh, ka namely olona 185.000 teo an-tobin’ny Asirianina, ary nony vao nifoha ny olona tamin’ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.


Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin’ny mosary. Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny any amin’ny tany tsy fantany.


«Izao no lazain’i Iaveh: Izay hitoetra amin’ity tanàna ity, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta; fa izay hivoaka hanatona ny Kaldeanina kosa, ho velona aina sy hahazo ny ainy ho babony, ka ho velona.


Nony tamin’ny volana faha-4, andro fahasivin’ny volana, dia efa mafy ny mosary tao an-tanàna, ka tsy nisy intsony izay hanin-kohanin’ny vahoakan’ny tany; koa tamin’izay,


Ahoana re no mitoetra manirery ity, ilay tanàna be olona! Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin’ny firenena! izy izay mpanjaka vavy eo amin’ny faritany, natao mpandoa hetra.


Iaveh ô, jereo ka diniho: Iza no mbola nataonao toy izao, na oviana na oviana? Endrey! Misy vehivavy mba efa mihinana ny naloaky ny kibony ve? Dia ny zanany madinika izay malalany? Endrey! Mba efa vonoina eo amin’ny fitoerana masin’ny Tompo, na ny mpisorona na ny mpaminany!


Na ny akaiky, na ny lavitra, samy hanebaka anao, voaloto anarana sy be tabataba.


Io no ilay tanàna niravoravo, nipetraka amin-toky nanao anakampo hoe: Izaho, ary tsy misy afa-tsy izaho! Ahoana no nanjariany ho efitra, sy fonenan’ny biby! Na iza na iza handia azy, dia hisitrìsitra sy hanifikifi-tanana.