Samy mandry eo amin’ny vovoka izy roa tonta; samy rakotr’olitra ny tenan’izy roa tonta!
Isaia 14:11 - Baiboly Katolika Nivarina amin’ny Seoly ny reharehanao, mbamin’ny feom-balihanao. Voalafika kankana ianao, ary olitra no irakofanao! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Navarina ho atỳ amin’ny fitoeran’ny maty ny tabiha sy reharehanao mbamin’ny feon’ny valihanao; kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao. DIEM PROTESTANTA Atỳ amin’ny fonenan’ny maty atỳ no navarina ny fireharehànao niaraka tamin’ny feom-balihanao. Kankana no ho kidoronao ary olitra no ho firakotrao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Atỳ amin’ny fonenan’ny maty atỳ no navarina ny fireharehànao niaraka tamin’ny feom-balihanao. Kankana no ho kidoronao ary olitra no ho firakotrao. Baiboly Protestanta Malagasy Efa navarina ho etỳ amin’ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao Mbamin’ny feon’ny valihanao; Kankana no ilafihanao, Ary olitra no mandrakotra anao. Malagasy Bible Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao. La Bible en Malgache Navarina ho atỳ amin’ny fitoeran’ny maty ny tabiha sy reharehanao mbamin’ny feon’ny valihanao; kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao. |
Samy mandry eo amin’ny vovoka izy roa tonta; samy rakotr’olitra ny tenan’izy roa tonta!
ry tanàna be horakoraka sy feno tabataba, ry vohitra miravoravo? Ny maty eo aminao tsy mba matin-tsabatra, na lavo an’ady.
Koa dia mitatra ny Seoly, ka manadanadana tsy anerany ny vavany; mivarina ao ny reharehan’i Siôna, mbamin’ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly.
Fa holanin’ny kalalao, hoatra ny fitafiana izy ireo, ary hokotehin’ny tsindoha, hoatra ny volon’ondry. Fa ny fahamarinako kosa haharitra mandrakizay; ary ny famonjeko hihatra amin’ny taona rehetra.
Ary rehefa nivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan’ireny tsy ho faty ny afony tsy hovonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.